John 12

1Enin’andro mialohan’ny Paska, dia tonga tao Betania Jesosy, izay nitoeran’i Lazarosy, ilay efa natsangan’i Jesosy tamin’ny maty. 2Ka nanao sakafo ho Azy izy ireo, ary Marta no nandroso azy ireo, fa Lazarosy kosa dia anisan’ireo niara-nipetraka tamin’i Jesosy teo amin’ny latabatra. 3Avy eo Maria naka menaka manitra iray litatra izay vita tamin’ny narda sarobidy, ka nanosotra ny tongotr’i Jesosy tamin’izany, ary namafa ny tongony tamin’ny volon-dohany. Feno ny hanitr’ilay menaka ny trano.

4Ary Jodasy Iskariota, iray tamin’ireo mpianany, izay hamadika Azy, nanao hoe: 5“Nahoana io menaka io no tsy namidy 300 dinaria dia nomena ny mahantra?” 6Ary izy milaza izany, tsy nohon’ny fiahiany ny mahantra, fa satria mpangalatra izy: teny aminy ny kitapom-bola ary ho nangalariny izay natao tao.

7Jesosy nanao hoe: “Avelao izy mba hitazona izay hananany ho amin’ny andro handevenana Ahy. 8Ho eo aminareo mandrakariva ny mahantra, fa Izaho kosa tsy ho eo aminareo mandrakariva.”

9Ary nisy vahoaka maro tamin’ireo jiosy nahalala fa teo Jesosy, ka nanatona izy ireo, tsy ho an’i Jesosy irery ihany, fa mba hahita an’i Lazariosy ihany koa, ilay natsangan’i Jesosy tamin’ny maty. 10Ireo lohan’ny mpisorona dia nitetika niaraka mba hahafahan’izy ireo manosika an’i Lazarosy amin’ny fahafatesana ihany koa; 11satria noho Izy no nahatonga ny ankamaroan’ireo jiosy andeha ary nino an’i Jesosy.

12Ny ampitso dia vahoaka maro no tonga tamin’ny andro firavoravoana. Rehefa ren’izy ireo fa ho avy ao jerosalema Jesosy, 13dia naka sampan-drofia izy ireo ary nivoaka ka nitsena Azy tamin’ny antso mafy hoe: “Hosanna! Sambatra anie ilay avy amin’ny anaran’ny Tompo, Ilay mpanjakan‘Israely.‘’

14Ary Jesosy nahita zana-boriky anankiray ka nipetraka teo amboniny; 15Araka ny voasoratra hoe: ‘’Aza matahotra, ry zanakavavin’i Ziona; jereo, indro tamy ny Mpanjakanareo, izay mipetraka eo ambonin’ny zana-boriky.”

16Tsy nahazo ireo zavatra ireo ny mpianany tamin’ny voalohany; fa rehefa nomem-boninahitra Jesosy, dia tsaroan’izy ireo fa voasoratra momba Azy ireo zavatra ireo ary efa nataon’izy ireo taminy izany.

17Ary ireo vahoaka izay niaraka taminy tamin’ny niantsoany an’i Lazarosy hivoaka ny fasana sy nanangana azy tamin’ny maty dia samy nijoro vavolombelona avy. 18Noho izany antony izany ihany koa no nahatonga ny vahoaka hitsena Azy, satria ren’izy ireo fa nanao izany famantarana izany Izy. 19Ireo Fariseo noho izany nifampiresaka hoe: “Jereo, tsy afaka manao na inona na inona ianareo; indro, manaraka Azy izao tontolo izao.”

20Ary nisy grika vitsivitsy tamin’ireo izay niakatra hidera any amin’ny firavoravoana. 21Nankany amin’i Filipo izy ireo, izay avy any Betsaida any Galilia, ary nanontany azy, manao hoe: “Tompoko, mba ta-hahita an’i Jesosy izahay.” 22Dia lasa Filipo ka niteny tamin’i Andrea; dia lasa Andrea niaraka tamin’i Filipo, ary niteny an’i Jesosy izy ireo.

23Jesosy namaly azy ireo ka nanao hoe: “Efa tonga ny fotoana hanomezana voninahitra ny Zanak’Olona. 24Lazaiko aminareo, marina, dia marina tokoa, fa raha tsy latsaka amin’ny tany ny voam-bary ka maty, dia mitoetra amin’ny tenany irery izany; fa raha maty izany, dia hamokatra be.

25Izay tia ny fiainany dia hanary izany; fa izay mankahala ny fiainany eto amin’izao tontolo izao kosa dia hitazona izany ho any amin’ny fiainana mandrakizay. 26Raha misy manompo Ahy, aoka izy hanaraka Ahy; ary izay hitoerako, dia ao ihany koa no hitoeran’ny mpanompoko. Raha misy manompo Ahy, dia hanome voninahitra azy ny Ray.

27Ankehitriny mangorohoro ny fanahiko ary inona no tokony ho teneniko? ‘Ray o, vonjeo amin’ity ora ity Aho’? Kanefa noho izany antony izany no nahatongavako amin’izao fotoana izao. 28Ray o, hankalazao ny anaranao.‘’ Avy eo nisy feo nanako avy any an-danitra nanao hoe: ‘’Efa nankalazaiko izany ary mbola ho hankalazaiko indray.‘’ 29Ary ireo vahoaka nitsangana teo sy nandre izany dia nilaza fa nisy kotroka teo. Ny sasany nilaza hoe: ‘’Nisy anjely niresaka taminy.”

30Jesosy namaly ary niteny hoe: ‘’Izany feo izany dia tsy tonga ho Ahy, fa ho anareo. 31Tonga ankehitriny ny fitsarana an’izao tontolo izao: Ary dia ho roahina ny mpanapaka izao tontolo izao.

32Rehefa hasandratra hiala amin’ny tany Aho, dia hitaona ny tsirairay hanaraka Ahy.‘’ 33Nolazainy izany mba hanehoana hoe karazana fahafatesana toy ny inona no hafatesany.

34Ireo vahoaka namaly Azy hoe: ‘’Renay tamin’ny lalàna fa Kristy dia hijanona mandrakizay. Ahoana no hafahanao milaza hoe: ‘Ny Zanak’Olona dia tsy maintsy hasandratra’? Iza izany Zanak’ Olona izany?‘’ 35Avy eo Jesosy niteny azy ireo hoe: ‘’Ny hazavana dia mbola hiaraka aminareo mandritry ny fotoana fohy. Mandehana dieny mbola manana hazavana, mba tsy hafahan’ny haizaina mialoha anareo. Izay mandeha amin’ny haizina dia tsy mahalala ny lalana alehany. 36Raha mbola manana ny hazavana ianareo, dia minoa izany mba ho zanakin’ny hazavana ianareo.‘’ Jesosy nilaza ireo zavatra ireo ary avy eo dia tsy hita ary niery azy ireo.

37Na dia nanao famantarana maro teo anatrehan’izy ireo aza Jesosy, dia tsy ninoan’izy ireo 38mba ho tanteraka ny tenin’Isaia mpaminany, izay nilazany hoe: ‘’Tompo, iza no nino ny tatitray, ary iza no nampisehoana ny sandrin’ny Tompo?”

39Noho izany antony izany dia tsy nino izy ireo, araka ny voalazan’Isaia hatrany hoe: 40‘’Nohajambainy ny mason’izy ireo, ary nohamafisiny ny fon’izy ireo; mifanohitra amin’izany izy ireo dia te-hahita amin’ny mason’izy ireo ary hahazo amin’ny fon’izy ireo, ka hitodika, ary Izaho hanasitrana azy ireo.‘’

41Isaia nilaza ireo zavatra ireo satria hitany ny voninahitr’i Jesosy ka niresaka momba Azy. 42Kanefa na izany aza, dia maro tamin’ireo mpanapaka no nino an’i Jesosy; fa noho ireo Fariseo, dia tsy niaiky izany izy ireo mba tsy ho voasakana ho ao amin’ny synagoga. 43Tian’izy ireo kokoa ny fiderana avy amin’ny olona noho ny fiderana avy amin’Andriamanitra.

44Jesosy niantso mafy ka niteny hoe: ‘’Izay iray mino Ahy, aza mino Ahy irery ihany fa koa Izy izay naniraka Ahy, 45ary izay iray mahita Ahy dia mahita Azy izay naniraka Ahy.

46Izaho dia tonga toy ny hazavana teto amin’izao tontolo izao, mba tsy hitoetra ao anaty haizina izay mino Ahy. 47Raha misy maheno ny teniko nefa tsy mitandrina izany, dia tsy hitsara azy Aho; satria Aho tsy tonga hitsara izao tontolo izao, fa hanavotra izao tontolo izao.

48Izay mandà Ahy sy tsy mandray ny teniko, dia manana iray izay mitsara azy. Ilay teny izay nolazaiko no hitsara azy amin’ny andro farany. 49Fa Izaho tsy miteny ho Ahy, fa ilay Ray izay naniraka Ahy, izay nanome Ahy ny didy amin’izay ho lazaina sy ho tenenina. Fantatro fa ny didiny dia fiainana mandrakizay, koa izay lazaiko_ dia lazaiko araka izay nolazain’ny Ray tamiko.”

50

Copyright information for PltULB